Survol

 

"Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Ny Tompo, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin'ny farany" Jeremia 29 : 11 "

 

 

 

 

Tantaran'ny FPMA Nancy

 

 

Tsy vao haingana fa efa ela tokoa no nisian'ny fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy nataon'ny teratany malagasy taty andafy. Tamin'ny ady lehibe voalohany dia betsaka tokoa ireo miaramila malagasy tonga taty Frantsa ary maro tamin'izy ireny no tsy mahay miteny frantsay akory.

Mba hanala ny alahelo sy ny hanina ny tany niavihana dia mazàna no mifamory manao fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy izy ireo, rehefa misy azo hanaovana izany. Noho izany ny tany Madagagasikara dia naniraka ny Pasteur Vernier sy Pochard ho Pasteur aumonier taty Frantsa. Nitety ireo toerana nisy miaramila izy ireo ary betsaka ireo izay natao Batisa sy lasa Mpandray ny fanasan'ny Tompo.

Ny tahiry amin'ireo Fiangonana nisy miaramila malagasy dia mbola hahita izany. Toraka izany koa ny tamin'ny ady lehibe faharoa. Fa handeha hitsambikina aty amin'ny taona 1956 isika. Nanomboka teo dia betsaka tokoa ireompianatra malagasy no tonga nandrato fianarana taty Frantsa. Saika nahitana azy daholo ny tanana misy oniversité teto Frantsa. Mba hialana amin'ny fahanginana sy ny alahelo dia mifamory manao fanompoam-pivavahana amin'ny teny malagasy izy ireo isan'alahady. Nitombo betsaka noho izany ireo fiaraha-mivavaka malagasy teto Frantsa. Nanapa-kevitra ny tany Madagasikara fa tsara raha andefasana Mpitandrina izy ireo hitarika azy (Pasteur Aumonier). Atoa Daniel RALIBERA no Pasteur Aumonier voalohany. Tsy ampy ireo mpianatra malagasy anefa ny rafitra aumonerie.

Nitady rafitra hafa izy dia ny rafitra Fiangonana. Izy ireo tokoa mantsy no hitondra ny firenena sy ny Fiangonana rehefa tafaverina soa aman-tsara any an-tanindrazana. Ny taona 1959 dia nivory tao Villimetrie ny solo-tena rehetra avy amin'ny lafy valon'i Frantsa mba hanangana ny Fiangonana Protestanta Malagasy aty Andafy (FPMA).Ary izany no nahatonga ny nankalazantsika an'Andriamanitra tamin'ny fahatsiarovana ny faha 40 taonan'ny FPMA. Nanombolka teo dia nitsangana na natsangana tsikelikely ho fiangonana ireo fiara-mivavaka nisy tany amin'ny tanana rehetra teto Frantsa, Tafo no niantsoana azy tamin'izany, ary mbola tavela mandrak'ankehitriny io anarana io.

Roampolo taona kely taty aoriana dia nitsangana koa ny Tafo Nancy. Isan'ny angady nananana sy vy nahita tamin'izany ry Itompokolahy Dr RAMOELITSALAMA sy ny Mpitandrina RABENANDRASANA Gisèle. Nifanampy koa anefa tamin'ny Tafo Atoa RANDRIAMIADANARIVO Ranaivosoa, izay nitondra ny fiangonana ERF tao Remirmont tamin'ny fahatongavana mitoriteny. Taorinan'ny fahafatesan'ny Dr RAMOELITSALAMA dia Itompokolahy RAFETRALISON no nandimby azy ho filohan'ny tafo.

Toy izao kosa ireo filoha nifandimby avy eo :

-Janoary 1995 - Janoary 2003 : Atoa RANDRIHARIVELO Mamy Hery

-Janoary 2003 - Janoary 2007 : Atoa RAMAROSON Francky

-Janoary 2007- Janoary 2011 : Rtoa ALEXANDRE Ralantoarisoa

-Janoary 2011- Febroary 2013 : Rtoa RALALA Fanja

- Febroary 2013 - Martsa 2019 : Atoa RAMANOHISOA Claude

- Nanomboka Martsa 2019 : Atoa RAMAROSON Francky

Nifandimby nitandrina teto kosa Atoa isany RAHAMEFY - RATOVONARIVO Ndimbisoa - RAFENONIRINA Laza - RASETA Christian - GIZY Donald - RAHARINDRATO Rafalimanana - ANDRIANASOLO Ramarokoto ary Ramatoa RAHARINORO Rasoanirina

 

Tamin'ny taona 2002 no nankalaza ny faha-20 taonany ny Tafo NANCY 

Tamin'ny taona 2012 no nankalaza ny faha-30 taonany ny Tafo NANCY

Tamin'ny taona 2022 no nankalaza ny faha-40 taonany ny tafo NANCY